Asa fiantrana (Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba renao ve zany feon’i Jesoa zay miantso anao
Izay manolo-tànana sady miantso hoe avia
Tolory Azy ny tenanao ary ny fo fanahinao
Dia raiso ary Izy anio ary ampanjakao
Fa ho sambatra ianao sy ho trtika tokoa
Raha Izy eo anilanao dia ny Tompo Jesoa

Izy manitsy anao mba homba ny marina
Hanafaka anao anatin’ny antsana lalina
Reo zay noana re ampio, reo mahantra ndeha tafio
Ny voafonja sy marary andeha tsidiho
Mba jereo koa ireo mijaly, omeo rano izay mitady
Iantrao ampiatranoy izay mila izany

Ampianaro atoroy izay tsy mahay
Reo mpanota ndeha anaro ihany koa
Ny hasambarana eto an-tany, feno fandrika tsy ho lany
Mety handratra ihany koa sy hampitomany
Ampaherezo ireo zay kivy, otrony ireo tram-pahoriana
Fa ny any an-danitra any dia fifaliana

Koa dia mibebaha, mifamela, izay no hafany
Ny hiovanao fo amam-panahy no andrasany
Hafalian-dehibe any an-danitra any hoe
Hiverenanao indray ao amin’ny Ray
Fa ho sambatra ianao sy ho tretrika tokoa
Fa indro eo anilanao re ny Tompo Jesoa

A.M.A.LA
A\C : Hubert RAHONISON
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A)
Vangy : 687
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nampionona
Daty : 24/06/2020 17:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3803