Mitariha (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry fanahy masina ô
Mitoera aty anatinay
Ry fanahy masina ô
Monena aty anatinay
Ry fanahin'i Jesoa !
Meteza hitari-dalana anay

Lehibe ny fitiavan'i Ray izao tontolo izao e
Dia natolony ilay tsara indrindra
Ho ahy sy ho anao o
Tsy ho very fa fenoy ny hery
No sady ho marina
Nandrotsahany ilay fanahin'ny fahamarinana

Mpanazava (eha)
fanahy mpanolo-tsaina anay e (eha)
fanahy mpampahery anay e
Ny fanahy masina
Fanahy mpitarika anay e

Ref : Mitariha anay fanahy masina o (x4)
Fanahin'ny fahamarinana
Mitariha anay fanahy masina o
Fanahin'ny fahamasinana
Mitariha anay fanahy masina o

(Avia mitariha anay e
Mila Anao izahay fanahy o) x2
Ka avaozy re fanahy o
Mba tarihinao ry Ray o
Hiaraka Aminao ry Ray o
Mila Anao izahay fanahy ô
(Avia mitariha anay e
Mila Anao izahay fanahy o) x2
Ka avaozy re fanahy o
Mba tarihinao ry Ray o
Hiaraka Aminao ry Ray o
Mila Anao izahay ry Jeso

Mai 2025
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira MORIA
Hits : 245
Likes : 0 Like
Created by : tokyrajoelison
Date : 12/05/2025 11:44
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0743