Mitaraina ny tany (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra Tompo sy Rainay
Miantso ny anaranao izahay izao
Hitanao fantatrao ny mihatra aminay
Eto an-tany izay noforoninao
Ady lava korontana maro
Ra mandrika no eh, mifangaro

Fiv : Tompo oh, Tompo oh,
Aok'izahay, namboarinao,
Ho mpanorina tany vaovao

Any ho any tsy mandry ny tany
Horohoro no ao sesilany
Famonoana isan'andro no re lava izao
Fijaliana manjaka hatrizao
Atsangano izahay re ry Tompo
Mba ho olona tena mpanompo

Ampiasao na ny fo na ny saina
mba hanondrotra ny taninay
Ka ity taninay re handry fahizay
ho tany sambatra mandrakizay
Hisy fandriampahalemana hatrany
Ho paradisa tokoa ny tany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 1098
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ainaericrajoelison
Daty : 30/03/2016 16:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717