Mba irio (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Na ny masoandro e, na koa ny volana e
Ambony tany ety e, no fambara-mazava e
Mampiharihary, ny voninahiny
Ny fahalebiazany, tsy misy toa Azy e
Izy Ilay Mpahary, Tompon’ny zava-boary
Jehovah Andriananahary, Mpanjaka mahagaga e
Izay mino Azy, no handova ny fanjakany
Rehefa miala eto an-tany, Hitoetra an-danitra any e

Mba irio e …

2 - Raha ny antom-pisiako eto e, Ny antom-pahavelomako e,
Dia noho ilay Mesia e, nanangana ahy toy izao e
Fa tsy izaho ihany, ianao koa mba toy izany
Isika rehetra eto an-tany, nividiny tamin’ny ràny e
Azy irery ihany, ‘zany fanjakana izany
An-danitra eto an-tany, Tsy misy mihoatra Azy e
Izy Ilay fiandohany, no sady fiafarany
Ray Alpha sy Omega, Hosana Haleloia ee eee ya

Mba irio e …
(Irinao oa ‘zaho, ny ho naman’i Jesoa)
Mba irio e …
(Irinao oa ‘zaho ny ho isan’ireo mpianatr’i Tompo)

Ho avy Ilay Ray tsitoha
Ho avy Ilay Tompo soa

Katsaho dieny mbola tsy tara
f’Izy efa ho avy tsy ho ela

Mba irio e …
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 119
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tokyrajoelison
Daty : 23/06/2024 09:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3042