Kristy no fiainana (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny zava-drehetra mandalo fa tsy mitoetra
Ny fiainana an-tany ho lany ho vetivety ihany
Fa fiainana mandrakizay ho an'izay mino ny Ray
Fiainan-tsambatra sy mamy tsy misy fiafarany

Tsy hoe any ankoatra, Vao fiaina-madio
Afaka mivoatra, dieny mbola anio
Tsy hoe any an-danitra any, Vao fiainan-tsoa
Dieny ety an-tany, andao hiova fo
Koa manatona, avia mivonòna
Fa isika izao, hiredona hoe:

:,: Jeso Kristy no fiainako
Manova ny fo sy fisainako
Hiankinako amin'ny andro sisa iainako KRISTY :,:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 409
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andrytianarajoelison
Daty : 11/04/2022 20:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072