Jesoa Mpamonjiko (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hafa tokoa Jesoa ny miaraka Aminao
Fa feno zava-tsoa sy fiainam-baovao
Foana ny ahiahy sy tahotra
Fa latsa-paka ato am-poko f'Ianao no Mpamonjiko

Fa raha jereko ny momba ny lasako(ny lasa)
Aizina hatrany no tiako sy fantatro
Indro ianao nandray ny tanako
Ry Jeso Mpamonjiko

Raha Ny zanaka no hanafaka anao
Dia ho afaka tokoa ny haratsiana
Ento eo aminy ho dioviny
Reo halotoana zary mpandova
Eo amin'ny fiainanao

Ka itodiho 'lay Jesosy mpanavotra
Izay nanala anao tamin'ny sarotra
Ndeha lazao hatrany mba ho re
'Lay Jesoa (2) mpamonjy anao

Nanetry tena Ianao hisolo voina anay
Ka tonga olona nefa Andriamanitra
Tsy lapa soa indray no mba nandray
Fa tranon'omby tsy mba nahomby
No hany mba nitsena Anao

Aoka ny foko ho soloin'ny vilona
Ary ny tenako hatao tsinontsinona
Fa Ianao tokoa no hanjaka ao
Ry Jesoa(2) mpamonjiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 1473
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ainaericrajoelison
Daty : 29/08/2014 23:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753