You are here: home > Tononkira > Antoko Mpihira MORIA

Avia manatona (Antoko Mpihira MORIA)

https://tononkira.serasera.org/hira/antoko-mpihira-moria/avia-manatona

Iza moa no manan-jo
Ny hanana fiadanam-po
Fahoriana tsy hay fefena
Miankina amin'ny harena
Mihodikodina eny foana
Ka manao izay sitra-po
Zay no andanim-potoana
Amin'java mora lo

Iza moa no mihevitra
Miadana sy sambatra
Manana ny antenaina
Vola be tsy tambo isaina
Nefa izao no ttononkira.serasera.orgiany ambara
Potika sy nenina
No hiafaran'ity tantara
Zay vao hoe hiverina

REF: Avia,avia manatona
       f'izaho sy ianao no antsoina
       Izay mino amin'ny fo
       No hanana fiadanam-po
       Tsy iza fa Jesoa Kristy
       Lay fiainana tena mamy
       Izy mampiara-dia
       Ny olona ao am-balany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Mpamaky : 560
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : haingotiana15
Tamin'ny : 01/04/2016 11:53:03
ID : 8210

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo