OMEO FO MINO (ANJOMARA-Anosivavaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ampahirato ny masoko
Mba hahitako ny tavanao
Ampafantaro ny lalanao
Mba hanitsiako ny diako

2-Ampaladio ny sofiko
Mba hiainoko ny feonao
Ampatsiarovy ny didinao
Mba hanekeko ny sitrakao

Ref:Omeo fo mino mba hatoky Anao
Ary hamasino ho toa Anao
Ianao ry Tompo no itokiako
Sy ho vatolampy fiarovako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANJOMARA-Anosivavaka
Vangy : 5579
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 27/03/2007 12:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727