You are here: home > Tononkira > ANJOMARA-Anosivavaka

MAHAIZA MIFAMELA (ANJOMARA-Anosivavaka)

Ianao sy iny olona iny
Niady hatry ny ela
Mandrak’ankehitriny
Tsy mbola nifamela
Tsy tantinao mantsy
Ny miondrika mifona
Tsy anao angamba ny hadisoana
Rehefa alahady
Dia indro ianao mitady
Mitady vonjy ho anao irery
Fa ny ralahinao izay niady taminao
Toa satrinao izy ho very
Satrinao ho azo hatrany ny indrafo tsy lany
Nefa ny ralahinao tsy tianao hahazo izany
Maminao dia maminao ny fitTsiky dia ampyiavan’i Jeso
Nefa ny ralahinao tsy mba hamindranao fo
Moa ve ny otanao tianao voafafa
Zay tianao atao anao mba ataovy amin’ny hafa
Mba tahafo sy araho ny fiainan’iJeso
Izy efa tiantsika hatramin’ny taloha
Koa samia mifamela,samia mifankatia
Rehefa miombona anie mahafinaritra ery!
Anio tsy izany intsony
Mahaiza mifamela
Sao neninao ka aza ela
Raha toa mifankatia dia rava ny ahiahy
Fiadanan-tsaina sy fanahy

Mpihira : ANJOMARA-Anosivavaka
Mpamaky : 2985
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 27/03/2007 10:42:35
ID : 4322

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo