You are here: home > Tononkira > ANJOMARA-Anosivavaka

JESOSY FANAPERANA (ANJOMARA-Anosivavaka)

1-Ny soa fahita eto an-tany
Dia soa malaky lany
Fa mifaly no mitomany
Misy sento, izay sesy lany
Ny fiadanana mafonja
Mety koa hisolo fonja
Toy ny anio ampitso dia
Manonja toa ho safotry ny onja
Ref:Mielina fa tsy mateza
       No sady fiakarana mideza
      Jesosy fanaperana
       No tononkira.serasera.orgaoka hianteherana
      Jesosy fanaperana
       No aoka hianteherana
2-Ny fy sy tsara zava-poana
Mora lasa, mora foana
Ny hasambarana tsy ferana
Dia mandalo sy miserana
Izay miseho sy vetivety
Hadalana ka tsy mety
Fa ny adidy soa manoloana
No ilofoy sy iravoana
Ref:Mielina fa tsy mateza
                ...

Mpihira : ANJOMARA-Anosivavaka
Mpamaky : 2591
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 30/03/2007 09:28:14
ID : 4330

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo