AKAIKINAO ANDRIAMANITRA O (ANJOMARA-Anosivavaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Akaikinao Andriamanitra ô
No lavitry ny horohoro (*2)
Miravo tsy mba manana adim-po
Na lanitra aza no hikoro

Eo anilanao ry Jesoa Tompo
Ny fo mitady fierena (*2)
Na misafoaka aza ny manjo
Tsy azon-doza akaikena

Fanahy Masina ô
Honony re
Ny fo zay valaka, valaka sy ana
Tantano ho tafita re
Na tondraka aza i Jordana

Ny torimaso, ny torimaso farany izay
Handaozanay ny fahoriana (*2)
No vavahady izay hidiranay (*2)
Handraisanay ny fifaliana (*2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANJOMARA-Anosivavaka
Vangy : 4144
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Henipitia
Daty : 30/10/2008 12:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725