RY RAIKO Ö! BE FIANTRA (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Do dia F
Ry Raiko be fiantra, tariho ny ondrinao
Tsinjovinao fa mahantra, ny fiainan-janakao
Kely finoana ka mila hirona , minia manadio Anao
Be siasia mivily mania, toa tsy mahatsiaro Anao

Tompo Mpanjaka Tsitoha mahery
Avoty izahay fa mila ho very
Tompo Mpanjaka Tsitoha mahery
Avoty izahay fa mila ho very
Be fahavalo ny fiainanay
Sarotra mafy ary koa mahamay
Ô! Raiko ô! Raiko ô!
Ô! Mba jereo
Avoty izahay ka ampio ary omeo
Ny famindramponao

Ry Raiko atanjaho, ety an-dàlana ety
Fa be loza mitatao, misakana ny dia
Ry Raiko ô! Vimbino tantano fa mandalo ny andronay
Ry Raiko ô! Tariho sy tohano fa mora kivy izahay

Tonony sy feony : Rahaingomahefa Pascal
(19/02/2005)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 715
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njato5
Daty : 03/05/2019 23:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722