IZAO TONTOLO IZAO (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Do dia F
Ireo vahoaka eran-tany
Ry Tompo miantso anao
Fa drindran’ady mafaitra
Nozongaina isan’andro isan’ora
Izy ireo mitomany, izy ireo mitaraina
Izy ireo mijaly, nefa manantena

Adinonay olombelona
Ny fisianao mpamorona
Adinonay ihany koa
Ireo didy napetrakao
Tompo tia ô! Torio aminay indray
Ireo teny soa , avy aminao

Betsaka izahay ety,
No manda mitsipaka anao
Ka mandia ny làalana
Hahavery rahatrizay
Ianao ry Tompo, mibitsika aminay indray
Sy hanoro koa ny dia, ary hananatra

Tonony : Dedem Ranaivoarilala
Feony : Pasteur Rahaingonjanahary Rodolphe
(11/09/1988)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 725
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njato5
Daty : 03/05/2019 08:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072