MINOA FOTSINY IHANY (Amboaram-peo Ny Fahazavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref: AZA MALAHELO NY FONAREO
MINOA AN ANDRIAMANITRA RAY
RAHA TOJO ZAVA- TSAROTRA IANAREO
KA MILA ANDRERAKA NY FO
IZY ANIE TSY AMPITONDRA NY MAVESATRA
IZAY TSY HO ZAKANAREO
AZA KIVY FA MAHEREZA RE!

1. Koa aza dia mitanondrika
minoa ny Ray sy zanaka
Minoa fotsiny ihany
mbola hoavy ny maraina
hazavana fifaliana
Minoa fotsiny ihany

2. Tsy izao hita maso izao
tokony antenainao
Minoa fotsiny ihany
Mahereza mantanjaha
fa ny Tompo dia mitaha
Minoa fotsiny ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Ny Fahazavana
Vangy : 872
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ralhforce
Daty : 13/07/2018 18:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071