Inty aho (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

Key D
1-
[Ny fahasoavanao ry Tompo
No naha toy izao ity mpanompo (ouou ou)
Dia nomenao ny soa sy ny fitahiana
Ka tsapako ilay fifaliana.] ×2

Refrain :

Koa inty aho iraho aho,
vonon-kanao izay sitrakao.
Tsy hierikerika intsony na hoe handà
ka hiandry antso fanindroany.
Ka indro aho hombay ny elatrao
fa vonona aho Tompo
hamaly ny antsonao.

2-
[Endrey tsy takatry ny saina
Ny fitondranao tsy hay lazaina
Fa novimbininao ny fo sy fanahy
Nesorinao 'reo ahiahy] ×2

A/C Maholy Todison.
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/amboaram-peo-hoby-vontovorona/inty-aho
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Vangy : 389
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mangazaka2
Daty : 24/12/2019 20:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.066