Ambarao (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Do dia Db na CSaotra, dera, laza, hery, haja, voninahitra
Atolotray Anao irery Tompo Andriamanitra.
Fa taona maro lasa izay no nitantananao,
Nitorianay sy nanaovanay ny irakao²
Miderà, mihobia, ankalazao ny Tsitoha
Asandrato ny feo, Asandrato mafy.
Manaova feo fifaliana avy ao am-po
ho an' Andriamanitra Avo indrindra
koa aza miafy.
Taona maro mbola ho avy izao e!
No hanambaranao anay indrindra hoe:
Voix 1
"Ho fanazavana hianao, ny jentilisa izany"
Voix 2,3
"Fa homeko ho fanazavana hianao
dia fanazavana ny jentilisa izany."
Voix 4
"Ho fanazavana hianao, ny jentilisa izany"
Voix 1
"Mba ho famonjeko izao, ho famonjeko hatramin'ny faran'ny tany."
Voix 2,3
"Mba ho famonjeko izao anio izao
Ho famonjeko hatramin'ny faran'ny tany "
Voix 4
"Mba ho famonjeko izao, ho famonjeko hatramin'ny faran'ny tany ".
Koa mandehana, mahefà!
Jesoa Tompo no jerena
Mitsangàna, mihazavà!
Ka zarao ny famonjena
A/C Fefy Sarobidy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Hoby VontovoronaVangy : 906
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mangazaka2
Daty : 26/12/2019 08:29