Endrey ny hafaliana (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

https://tononkira.serasera.org/hira/amboaram-peo-hoby-vontovorona/endrey-ny-hafaliana

Key A
1-Endrey ny hafaliana(faliana)
satria nivaly ilay fitakiana(takiana)
Tanteraka ny zava-niriana(niriana)
Ka velona hira sy lamako mpihobiana

Fa he ravoravo(he ravo)
Misaotra sy midera ilay Avo( 'lay Avo)
Tsy mba namingana na nandavo
fa soa niavoavo, nomenao ho anay mavomavo.

Refrain:

Ry Ray ô mahafinaritra ny miaraka Aminao Andriamanitra
Fa tsy voafetra na koa voafaritro
Ilay fitiavanao  maharitra. tononkira.serasera.org
Natobakao isan'andro moa
Ho anay hatrany hatrany ireo soa.
Ka mahazo avokoa na tsara na ratsy koa
Noho ny indrafo dia afaka hiriaria tokoa.

2- Fa novalinao(faliana)
Ireo toloko sy ireo talaho (natao)
Ka tretrika ny fo ami/n'i/zao (izao)
Hanandratra hira sy antema vaovao

He maha miran-tava (ny tava)
Ny fitahiana anay lalandava(dia lava)
Ny tebiteby teo nisava,
Ny aizina rava ka nosoloinao ny mazava.

A/C Rakotondralambo Dieudonné

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Mpamaky : 78
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mangazaka2
Tamin'ny : 24/12/2019 19:35:38
ID : 12320

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo