Tsy afoiny (Ambasadora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-
Mahatsiaro resy ve Ianao?
Feno hakiviana anatinao?
Reraka avokoa, fo sy fanahy.
Kely finoana ka be ahiahy.
Ny olon-drehetra efa nandao,
Fa angamba aho no sisa hoy Ianao.
Ho aiza moa aho,
Ho aiza moa aho,
Hoy Ianao raha nitalaho.

2-
Nefa dia misy mihaino tokoa
Ny vavaka ataon izay marina am-po.
Tsy mba manao tsinontsinona izay
Fo mangorangoraka mino fa hay
Misy Mpamonjy azo ianteherana,
Mahalala ny hevitra iheverana
Ahy sy Ianao ao an-danitra ao,
Izy no momba anao.

Ref.
Na mahantra na ory mangahiahy,
tsy afoiny tsy akory, aza manahy.
Ny zanany, ny asan'ny tanany
Dia aoka ho adidiny ihany.
Ny tanany tsy fohy fa mahavonjy.
Raha mino Azy Ianao tsy ho resy intsony,
Izy no hiady ny adinao
Izy no hiady ho anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ambasadora
Vangy : 2379
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tovomahefa_RANDRIAMBOAVONJY
Daty : 26/02/2019 10:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737