You are here: home > Tononkira > Ambasadora

Neny (Ambasadora)

https://tononkira.serasera.org/hira/ambasadora/neny

Tsy lany hamamiana ny fitiavanao ry neny
Neny tia ahy
Tsy hay ambara 'reo zavatra vita nataonao tamiko
Nitondra an-kibo, nizaka an-trano,
Nikolokolo, sy nanabe anay
Nanao izay hahasoa ahy, tsy sasatra ianao
Isaorako anao izany
Nampianatra ny rariny, ny hitsiny
Sy nanafay atononkira.serasera.orgnay
Nokendrenao ho mendrika olom-banona,
Ho rehareha indray andro any

Avo indrindra ny fitiavanao
Fitiavana tsy mety ritra
Tsapako izany, tsy ho faty ato anaty
Mandrakizay ato am-poko
Ka ilazako izao teny tsotra izao hoe
Tiako raha ianao

Ry Neny tiako loatra ny fitiavanao
Ka hira no ataolotro anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ambasadora
Mpamaky : 1957
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Merlia
Tamin'ny : 25/02/2016 12:28:34
ID : 8082

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo