Jeso fananako (Ambasadora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy manana atolotra fa hoe mahantra loatra
Tsy misy hitarainana, miady mafy @fiainana
ô!iza no mpangoraka? Izao izahay efa trotraka
Very fanantenana, tsy misy hifaharana

Ref: Ho kivy ve ho sanatria, manana Anao Mpamonjy tia
Hiantoraka eo Aminao, ho eo an-tratranao
Na handao ireo havana, na hahafoy koa ireo namana
Ianao no fananako, am-pelatanako

Ny harena mora potika,milaza voninahitra
Tsy azo hianteherana, mandalo sy miserana
Jeso no antenaiko, manome izay ilaiko
Tsy misy izay tsy vitany, ny maty aza natsangany

Ref: Ho kivy ve ho sanatria, manana Anao Mpamonjy tia
Hiantoraka eo Aminao, ho eo an-tratranao
Na handao ireo namana na hahafoy koa ireo havana
Ianao no fananako, am-pelatanako
Hiroso hatrany izany dia na inona hanjo ety
Tsy misy hahasaraka Aminao na izao tontolo izao
(izao tontolo izao)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ambasadora
Vangy : 3286
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Merlia
Daty : 25/02/2016 13:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.122