Hatanorana (Ambasadora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andro soa sady kanto izany hatanorana
Toy ny raozy vao maraina tsara famelana
Ao ny hatsaran-tarehy, endrika, ny bika soa
'Zay mambabo fo tokoa, tena mamy
Eo koa no mitsiry ny fitia
Andro hafa, tena hafa eo @fiainana
Ka irin'izany mba haharitra

Ref: Andron'ny korana, androm-pifaliana
Handresena hakiviana
Hanovozan-kery, hamaky ny onja mahery
Antoky ny any aoriana

Marobe ny fitsapana misedra ny hatanorana
Fandrika, fakam-panahy tsara fivelatra
Ao ireo filibàna, fisotroana, filokàna
Fitondran-tena tsy hendry mety hamarina
Toe-panahy sy fisainana madio
No hitondra hasambarana sy voninahitra
Toetra soa tsara ho filamatra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ambasadora
Vangy : 2322
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Merlia
Daty : 25/02/2016 13:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2953