Safidiko (Ambasadora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho fantariko anio ny safidin'ny foko
Na Jesosy Tompo na izao tontolo izao
Raha nandinika ny lasa ary ny ho avy
Resy lahatra aho Jeso no tiako

Ref: Izy no mitantana ny diako
Tsy nanary ahy raha tojo ady sarotra
F'izy no nandray ny tanako
Namihina ahy tamin'ny sandriko
Mibitsika mangina tao am-poko
Izy Ilay Mpamonjy tena tia

Fa fitia doria tsy miova no natolony ahy
Tsy toy ny an'izao tontolo izao mety lo
Fa maharitra ho an'ireo 'zay mino an'i Jeso
'Zay nisolo ny heloko

Ref:Izy no mitantana ny diako
Tsy nanary ahy raha tojo ady sarotra
F'izy no nandray ny tanako
Namihina ahy tamin'ny sandriko
Mibitsika mangina tao am-poko
Izy Ilay Mpamonjy tena tia, tena tia
Izy no mitantana ny diako
Tsy nanary ahy raha tojo ady sarotra
Izy no nandray ny tanako
Namihina ahy tamin'ny sandriko
Mibitsika mangina tao am-poko
Izy Ilay tena tia
(Aza matahotra)
Tena tia
Izy Ilay namonjy anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ambasadora
Vangy : 2120
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Merlia
Daty : 25/02/2016 14:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749