Andriamanitra Tsitoha (Ambasadora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-
Andriamanitra Tsitoha,
Andriamanitro hatramin'ny taloha,
Endrey tsy manam-paharoa
Ny herinao 'zay naharianao
Izao rehetra izao,

Niteny ianao dia ary ireny,
Ny voninahitrao no asehony
Ô iza re no toa Anao
Ry Raiko ao an-danitra ao?
Izaho dia hankalaza, ny hirako hilaza
Fa Ianao, Ianao irery no Andriamanitra,

Anao ny hery sy ny laza,
Ny voninahitra sy Haja,
Anao, Anao mandrakizay tokoa,
Ry Tompo Andriamanitra Tsitoha

2-
Andriamanitra Tsitoha,
Andriamanitro hatramin'ny taloha,
Fitia manao ahoana moa
No niantsoanao ahy hoe zanaka malalanao

Tsy takatry ny saiko izany,
Izaho izay voafetra ihany.
Tsy hanompo Tompo hafa aho,
Fa tena ho mpanomponao
Ny androko rehetra, Ho anao tsy misy fetra
Omeko sy atolotro Anao ka anjakao.

Mivoady aho fa ho Mpanompo,
Anao mandrakizay ry Tompo.
Ianao no ho fiainako,
Ho velona ato anatiko ,
ry Tompo sy Mpanavotro.

ry Tompo sy Mpanavotro !!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ambasadora
Vangy : 1909
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tovomahefa_RANDRIAMBOAVONJY
Daty : 31/10/2017 15:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719