Trano tsy natao tanana (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Raha ny trano lay ety.No hirehitra ho may.
Tsy ampan'inona satria.
Filasiana trano lay.
Raha ilay mba famantanana.
No ho kila hotohoto.
Dia ilay trano natao tanana.
Tamin'ny tanana maloto.
Ref:
Moa ho latsaka ao anaty.
Ny alahelo izay mandrotika.
Zava-boahary mety maty.
Baingantany mety potika.
Andrandrao ilay any ankoatra.
Ilay lapa fiadanana.
Dia ilay trano tsara voatra.
Ilay trano tsy natao tanana.
2-Eo no andro ivahiniana.
Dia tsaroana ho mielina.
Iharetam-pahoriana.
Sy ny ngidiny tsy telina.
Indraindray toa semban-drahona.
Ny masoandro fifaliana.
Dray,tantely amam-bahona.
Tsy tena feno ny hamamiana.
Jordan
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy FivavahanaVisites : 10085
Préférés : 3 J'aime
Ajouté par : Ruthkwl
Date : 02/04/2017 11:14