Miverena (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

Miverena, miverena
O, ry ondry izay mania lasan-davitra e !
Nefa anio modia, miverena ry ondry mania
  Misy toerana tsara voatra
  Ao an-dapan-dRay tsara loatra
  Izay nomaniny ho vantaninao
  Raha hiverina hody ianao
Mitsahara, mitsahara ry mavesatr’entana ô !
Miasa fatratra, tera-dinitra
Miady ireTsiky dia ampyry amin’ny fiainana
  Manatona anio, hotrotroiny
  Ny hazakazakao hosoloiny
  Fiadanam-po, fiainam-baovao
  Raha hiverina hody ianao
Mifohaza, mifohaza, resin-tory lalina
F’efa tonga izao ny mazava
Ora fifohazana
  Io ny tanany fa mitsotra
  Izy hitantana anao hizotra
  Ho eo an-dalam-pahasambarana
  Hanome fitsaharana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Mpamaky : 3383
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : lebota
Tamin'ny : 02/11/2005 11:56:55
ID : 3328

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo