Indro ny famonjena (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref:
Indro!
Indro ny famonjena
Te-hibalika eto amintsika
Hiahy ny firenena.

Zovy ?
Zovy no tsy nandre
Ny teny tsara
Izay manambara fitiavan-dehibe.

1_ Indro miposaka eto izao ny mazava
'Lay haizim-be taloha indro fa nisava.
(...)
Ampy mizara izany tarany
Ka isam-baravarana samy mahazo ny anjarany.

Ref:
....

2_ Fitiavan-tsy vidina
Na hoe sandaina vola
Kanefa ialana liana
Fitia tsy mety tola

(Indro ny famonjena)

Ny Lahitokany aza
Nataony sorona
Ko dia nahoana no tsy handray
Ianao tolorana.

Ref:
....

3_ Jeso nanetry tena
Tonga hisolo voina
Sy mba ho famonjena
Ireo mody tsy nanoina

(Indro ny famonjena)

Ho anao no nihaviany
Hisolo ny helokao
Hitoetra eo aminao no iriny
Ho manda aronao.

Ref:
Indro!
Indro ny famonjena
Te-hibalika eto amintsika
Hiahy ny firenena.

Zovy ?
Zovy no tsy nandre
Ny teny tsara
Izay manambara fitiavan-dehibe.

Mmm! m m m!....
.....

Ny teny tsara
Izay manambara fitiavan-dehibe.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Vangy : 12297
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 20/10/2002 12:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721