Mino aho (Akon'ny Lanitra Mihira (Alarobia Mahafinaritra))
https://tononkira.serasera.org/hira/akonny-lanitra-mihira-alarobia-mahafinaritra/mino-aho
Mino aho fa fitiavan'Ilay Rayno maha-toy izao ahy ;
Tsy mba lany fa mamelona ny fanahy.
Eo anilany, tsy misy ahiahy
Ny fahasoavany nomeny ho anao,
fiadanana ho an'izao rehetra izao
Izy momba anao anio,
rahampitso eo ihany
Eo foana, ho eo hatrany hatrany
Mino aho fa fitiavan'Ilay Ray
no maha-toy izao ahy ;
Tsy mba lany fa mamelona ny fanahyTsiky dia ampy.
Eo anilany, tsy misy ahiahy
Mino amin'ny fo,
mino koa ny saina,
mino ny fanahy
Ny fahasoavany nomeny ho anao,
fiadanana ho an'izao rehetra izao
Izy momba anao anio,
rahampitso eo ihany
Eo foana, ho eo hatrany hatrany
Mino aho fa fitiavan'Ilay Ray
no maha-toy izao ahy ;
Tsy mba lany fa mamelona ny fanahy.
Eo anilany, tsy misy ahiahy
Raha toa ianao ka mino
MINO AHO