Avia (Akon'ny Lanitra Mihira (Alarobia Mahafinaritra))

1- Ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy
Satria lehibe ny fitiavana nomenao ho ahy
Miantraika tanteraka amiko ny teninao
Hoe: "Aoka ny zanako sy ny asan-tanako ho adidiko ihany"
Ref1:
Fa omenao anjara fitia izay rehetra mino Anao sy manoa
ka vonona ny hanaraka Anao raha mbola eto an-tany

2- Ray be fiantra, tsy mba mifidy
Na hoe manavaka ireo ivelany izay tsy ao am-balany.
Fa mahagaga ny teniny Tsiky dia ampyhoe: "Tsy ny finaritra no mila fanafody fa ny marary

Ref2:
Tsy vitan'izany fa zahavinao ireo ondry izay nania sy very
toa feo malefaka no asetrinao ny ditrany
Tsy vitan'izany fa zahavinao ireo ondry izay nania sy very
Toa feo malefaka miantsoantso hoe : Avia !

Tsara Ianao, Tsara Ianao, Tsara Ianao, be fitia

Ref1:
Fa omenao anjara fitia izay rehetra mino Anao sy manoa
Ka vonona ny hanaraka Anao raha mbola eto an-tany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Akon'ny Lanitra Mihira (Alarobia Mahafinaritra)
Mpamaky : 318
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 27/11/2018 15:28:04
ID : 11177

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo