Akon'ny Lanitra Mihira (Alarobia Mahafinaritra)

Nampiditra Herizo15
27/11/2018 12:47
Hiran'i Akon'ny Lanitra Mihira (Alarobia Mahafinaritra) 9 Jereo eto
Vangy : 1113
Mpankafy : 0 Ankafizo
SALAMO 145: 1 "Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria."
Antoko Mpihira evanjelika niorina ny taona 2009, ary mivohy ny gadona GOSPEL @ ankapobeny.
Ny mampiavaka azy dia saika ahitana tanora kristiana avy amin'ny fiangonana kristiana rehetra (FJKM, Loteriana, Katolika...) eto Nosy-Be izy. Ankoatr'izay dia maro ny sokajin-taona hita @ireo mpikambana satria misy ny tena mbola ankizy ary misy koa ny efa lehibe, izay sady mpitaiza no mandray anjara mavitrika @fanompoana. Isaky ny Alarobia hariva no fotoana fanatanterahany ny anjara fanompoany ao @ FJKM Ziona Famonjena Nosy-Be.
Misokatra @fiaraha-miasa rehetra ihany koa ny Antoko Mpihira, ary matetika mahazo fanasana avy @ireo fiangonana rahavavy toy ny Rhema sns...

Hevitra momba an'i Akon'ny Lanitra Mihira (Alarobia Mahafinaritra)

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i Akon'ny Lanitra Mihira (Alarobia Mahafinaritra) (9)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2979