Ho ahy ianao (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))

https://tononkira.serasera.org/hira/akoni-ziona-famonjena-nosy-be/ho-ahy-ianao

1- Anio no andro voatondro,
'zay nalahatry ny Ray
hampifandraisana ireto fo roa
hitempo ho iray.
Hanamafisana iany koa
ireo voady efa natao
fa hiara-dia, hifankatia

Ref: (hirain'ny mpivady)
Ho ahy ianao, izaho ho anao
Ho lalana iray mandrakizay.
Ny fiainantsika roa
dia ankinina amin'Ilay Tsitoha mbaTsiky dia ampy
ho tokatrano soa

2- Ny fahasoavan'Ilay Ray
no hitoetra ho anareo
Ka na ami-fifaliana, na amin-tomany
IZY jereo
F'ianareo dia zanany,
asan'ny tanany
Matoakia fa tena adidiny

Ref: (hirain'ny mpivady)
Ho ahy ianao, izaho ho anao
Ho lalana iray mandrakizay.
Ny fiainantsika roa
dia ankinina amin'Ilay Tsitoha mba
ho tokatrano soa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)
Mpamaky : 84
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 30/08/2019 16:20:42
ID : 12020

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo