Ampitapitao (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))

https://tononkira.serasera.org/hira/akoni-ziona-famonjena-nosy-be/ampitapitao-1

Isan’andininy :
     Iny ny hafatra ampitao :
     hoe Jesosy no lalana ho an’ny tsirairay
     Iny ny hafatra ampitao :
     Kristy no fiainana ho an’ny rehetra

Chœur : Ampitapitao any (x5)
(voix off)

Chœur : Ambarambarao any (x5)
Ambarambarao amin’ny olon-drehetra
Tsy ankanavaka tsy misy fetra
Ambarao koa ny mpianakavy :
ireo rahalahy sy ireo anabavy
KRISTY hono hoe efa tety an-tany
Tsiky dia ampy
Chœur : Dia lazalazao any (x5)
Dia lazalazao fa nanetry tena,
Mba hitondra ny famonjena
Ka na mahantra na manan-karena
Tsy mba laviny fa ekeny
Ho ahy sy ho anao koa fa aza mihenahena

Isan’andininy :
     Iny ny hafatra ampitao :
     hoe Jesosy no lalana ho an’ny tsirairay
     Iny ny hafatra ampitao :
     Kristy no fiainana ho an’ny rehetra

Kristy dia natao ho an’ity Nosy ity
Nosinay dia natao ho an’i Kristy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)
Mpamaky : 443
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 14/06/2018 14:25:05
ID : 10674

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo