Jehovah no Mpiandry ahy (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))

1- Jehovah ô! Ianao no Mpiandry ahy.
Tsy hanan-java-mahory aho,
satria Ianao tokoa momba ahy;
Na dia mamaky lohasaha mangina
dia tsy hatahotra aho satria miaraka Aminao
ry Ray Mpiaro ahy.

Ref: Amelaranao latabatra aho Tompo ô
eo imasom-pahavaloko
namboaranao kapoaka aho
mahery sy mahafa-po.
Eny indrafo tsy hita lany
no hiara-dia amiko
mandra-pahatongavako ao an-dapanaTsiky dia ampyo.

2- Jesosy ô! Ianao no Mpitarika ahy
Tsy misy miafina eo imasonao
izay rehetra momba ahy;
Ka ny fiainako Tompo malala ô!
apetrako ho eo am-pelatananao Jesoa
Raiso ka anjakao.

Ref: Amelaranao latabatra aho Tompo ô
eo imasom-pahavaloko
namboaranao kapoaka aho
mahery sy mahafa-po.
Eny indrafo tsy hita lany
no hiara-dia amiko
mandra-pahatongavako ao an-dapanao.

Tonony sy Feony: R. T. Rodolphe

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)
Mpamaky : 607
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 17/04/2016 02:17:51
ID : 8298

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo