Aza manahy (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))

https://tononkira.serasera.org/hira/akoni-ziona-famonjena-nosy-be/aza-manahy-1

1- Na rako-drahona ny fiainanao anio
    ka mila ho kivy ianao
    Ireo rivo-mahery sy tadio
    mila handavo anao,
    very hevitra ianao; aiza no hiantsapazana
    efa ho reraka sy torovana
       Tsarovy fa Ilay Mpamonjy ao ambony ao
       momba sy mijery anao.
       Tsy handao na hamela anao ho irery
       fa eo foana hanohana
       IZY no hiady ho anao, ka hampandresy anao
       fa ianao kosa matokia!

Ref: Misy zava-mahagaga tsy hain'ny Tompo hatao va?
       tononkira.serasera.orgary IZY efa nilaza taminao hoe: aza manahy
       Ario ny tahotrao, ento eo Aminy ny olanao
       fa IZY hamaha izany.

2- Ny fiainantsika ety dia tsy ilaozan'olana,
    sento, tomany
    Fa raha manana an'i Jesosy kosa
    ianao dia ho maivana.
    F'izay no antony niaviany, ho anao ilay tiany
    hanananao fitsaharana

Ref: Misy zava-mahagaga tsy hain'ny Tompo hatao va?
       ary IZY efa nilaza taminao hoe: aza manahy
       Ario ny tahotrao, ento eo Aminy ny olanao
       fa IZY hamaha izany.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)
Mpamaky : 644
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 27/03/2018 14:28:51
ID : 10513

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo