Derao sy ankalazao (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))

https://tononkira.serasera.org/hira/akoni-ziona-famonjena-nosy-be/derao-sy-ankalazao-1

1- Derao sy ankalazao ny Tomponao
fa teraka Izy mba ho avotrao;
ka inona ary izao no hatolotrao ho Azy,
ho mariky ny hafaliana anatinao

Ref 1: 'Ndeha atolory Azy izay rehetra anananao
k'aza mba misalasala sao hanjary ho neninao;
Tsy mba vola na harena no takiany aminao
fa mba manolora tena ho Azy izao (anio izao)

2- Derao sy tononkira.serasera.organkalazao ny Tomponao
fa hery ho ahy sy ho anao 'zao andro izao:
ny Zanaky ny Ray no indro fa natolony
hanafaka sy hanadio ny otanao

Ref 2: Andro tena hafa kely, ifalian'ny anjely;
Andro tena soa tokoa, ka tsy manam-paharoa
Koa hobio sy derao, ambarao sy ankalazao
mba ho ren'izao tontolo rehetra izao.

T/F: Pasteur RANDRIANARIVELO Fenontsoa Harisambatra

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)
Mpamaky : 669
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 29/11/2016 09:37:14
ID : 8986

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo