Aminao no ametrahako (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))

https://tononkira.serasera.org/hira/akoni-ziona-famonjena-nosy-be/aminao-no-ametrahako

1- Atolotro ho Anao Jesoa
ity foko ka raiso sy anjakao.
Omeko ho Anao avokoa
ny momba ahy rehetra ry Tompo ô

Ref1 :
Am-pelatananao ny fiainako,
Ka amboary ny fisainako
Mba tsy hanaiky ireo fakam-panahy
Fa mba hijoro tsy misy ahiahy
Tompo ô, aminao no ametrahako
ny Tsiky dia ampyandrom-piainako

2- Ilay ranao soa nitete
No nanafaka ahy tamin'ny otako
He babonao tokoa ity foko
Ka raiso ho lapanao

Ref 2:
Raha Ianao no mitantana ahy
Dia foana hatreo ireo ahiahy;
Ny herinao no iankinako
Ka tsy hanan-tahotra intsony ity fo
Tompo ô, aminao no ametrahako
ny androm-piainako.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)
Mpamaky : 661
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 12/04/2016 17:23:08
ID : 8297

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo