Mandrakizay doria (Zandry Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay tompon'ny foko
Mpanjakavin'ny fitiavako
Loharanon'ny taranako
Renin'ireo zanako
Jiro sy faniloko
Manazava izany lalako
Diavolana mitsilo ny aliko
Masoandrom-piainako

Eny mbola averiko eto akia
Ny hivadika dia sanatria
Ny antsika roa anie ilay fitia
Mandrakizay doria

Ireo androm-pifaliko
Reo oram-pahasambarako
Maro tsy ho voatanisako
Teo ianao lay paradisako
Raha sendra mafy ny adiko
Raha tojon'ny sedram-piainako
Ianao tsy miala anilako
Mijoro ho andriko
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Zandry Gasy
Visites : 289
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mbola Talenta
Date : 21/01/2025 05:50
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0673