Ho tahiana ianao (zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miderà, mankalazà
Manandràta feo, hoan'i Jehovah
Fa voavonjy ianao
Dia ataovy izay tokony atao
Derao derao ny Tomponao. (X2)

Fa misokatra ny lanitra ho antsika e!
Mirotsaka ny fitahiany tsy voatanisa e!
Ho tahiana ianao raha miditra,
Ho tahiana ianao raha mivoaka;
Ho tahiana avokoa izay anananao e!
Ho tahiana koa ny hateraky ny kibonao
Ho tahiana ny ankohonanao.

....

Miderà, mankalazà
Mihobia re, an'i Jehovah
Midira midira amin'ny vavahadin'ny fisaorana
Misaora Azy ry fanahy rehetra. (X2)

Fa misokatra ny lanitra ho antsika e!
Mirotsaka ny fitahiany tsy voatanisa e!
Ho tahiana ianao raha miditra,
Ho tahiana ianao raha mivoaka;
Ho tahiana avokoa izay anananao e!
Ho tahiana koa ny hateraky ny kibonao
Ho tahiana ny ankohonanao.



....

Miderà, ny famindram-po
Ny fahasoavany ambony tonontonony
Ho amin'ny taranakao
Indrindra fa ho anao
'Reo zava-tsoa ny lanitra. (X2)

*Fa misokatra ny lanitra ho antsika e!
Mirotsaka ny fitahiany tsy voatanisa e!
Ho tahiana ianao raha miditra,
Ho tahiana ianao raha mivoaka;
Ho tahiana avokoa izay anananao e!
Ho tahiana koa ny hateraky ny kibonao
Ho tahiana ny ankohonanao. (X2)

Ho tahiana ny ankohonanao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana)
Vangy : 1043
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 02/07/2022 09:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734