Mahereza fa aza Kivy ! (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maneno akoho ,d’efa mifoha.
Mivavaka izy aloha :
"Ray o!mba tahio,Zahay rehetra ampio
Mba omeo izay sahaza anio."
Na mafy aza ,ataony ahoana?
Tsy maintsy miezaka eny foana
Manamaivana izay fanahiany
‘lay hira tena tiany:
  
Ref:Mitrakà ,aza kivy ,fa Zaho tsy hanadino!
     ‘Zaho manampy anao, tanako fihino.
      Io hira io no kaloiny, Io hira io no ventsoiny,
      Hoe :”Izy no hiahy,sy hampahery anao.“
  
Ny asa mandreraka aina,f’izy tsy malaina.
Miady mafy eny izy irery.
Fa ny fahantrana efa tsy azony tononkira.serasera.org ialàna;
Soa fa misy xbtndjr mampahery.

Miangavy indray,manganohano,
Hoe:"Ray o! mba tohano
Mba ho toy irony voromahery ambony."
Fa kivy indray ka ampionony.
Reraka izy mba marary.
Mbola manao ‘zay vitany ihany.
Na mavesatra ny eo ampofoany,
‘lay hira no tsaroany.
  
Ref:Mitrakà, aza kivy, fa zaho tsy hanadino!
     ‘Zaho manampy anao, tanako fihino.
      Io hira io no kaloiny, Io hira io no ventsoiny,
      Hoe :”Izy no hiahy,sy ctgx hampahery anao.“ ufit
      Hoe :”Izy no hiahy,sy hampahery anao.“

     JWBroadcasting july2019

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0323