Vao mainka mafonja (Tempo Gaigy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy maty ao am-poko ao (tsy maty am-poko ao ianao) fa vao mainka mafonja ilay fitiavakoTsy ho faty io mandrakizay (tsy ho faty io mandrakizay) fa mainka manonja mahery ao anaty ilay fitiavako (am-poko ao mandrakizay)
Na zovy ianao hanaratsy, efa jamba anie aho ka tsy tazako intsony izay lalan-kombana
Na iza ianao hanatsantso, efa latsaka anaty tsy maty vonoina, tsy lany hamamiana na oviana fa dia:
Ny anaranao irery manakoako an-tsofiko ao
Tiako izy iny (izay mety ho fanaratsiana ataonao)
Tiako izy iny (tsy ahoako na 1 minitra mandalo)
Tiako izy (mitombo toa sesilany, loharano tsy ho ritra mandrakizay)
Tiako izy iny (izay mety ho fanambaniana hiseho)
Tiako izy iny (na endrikendrika sy latsa hitranga eo)
Tiako izy (tsy mety ho raraka an-tany ilay fitiavako azy manakatra ny avo hatrany)
Vao mainka mafonja
Tsy maty ao am-poko ao...
Raha misy lokom-pitia maro ho tantarainao fa tokana ihany ilay sary efa an-dohako ao
Raha misy tsara any ho any, izaho tsy manda izay voalazanao saingy izy irery eto an-tany
No afaka hampitony sy hamafa ilay ratra-poko efa tao
Tiako izy iny...
Tonony sy feony : RANDRIATAHINA Faniry
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Tempo GaigyVisites : 5583
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 10/06/2016 08:25