efatra andro (Tempo Gaigy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
o eieee
efatra andro izay
tsy nandalo intsony ianao
nangina iny lalanao taloha
nangina ny tontolo tao anatin’ny ora fohy
efa andro izay tsy nandray ny tananao
re mamirifiry anaty fo!
masoandroko aza toa tsy niverina intsony
mila averina eto indray
ref:
4 andro izay, tsy nandray ny tananao
nefa hatr@zay, tsy nitempo an’iza fa
fa ho anao irery anie, ianao tsy mety handeha hiverindalana indray
4 andro izay, tsy nandray ny tananao
nefa hatr@zao, ny adiady izay natao,
mitaraina foana ireo, sangisangintsika teo
mila averina etoo indray

pont:
iny lay fitiavana madio nomeko anao o!
iny fa averiko indray
iny lay sarobidy indrindra ka hajao o!
iny avereno eto indray
tiko ianao (3) fa ianao

efa ho avy indray ny andro iverenanao,
andro iray zay sarobidy koa,
dia eo indray no hifandray ireo tanantsika roa!
hangovingovitra aho, reo masoko tsy hahajery anao,
mamisavisa ny ady izay natao
te-hanontany tena aho: \"f’iza loatra moa ianao?\"
mila averina eto indray

ref - pont

popol:
ty ranomasoko ty, mandrakotra ny tavako iny e
dia mbola ho tratranao eo foana mandrampahatonganao aty

faniry:
oooooo
fo maratra ve? ranomaso avy eo, ireo no mba namako
hatrizay ,          4 andro izay

tempo gaigy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tempo Gaigy
Vangy : 4273
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : jpeg
Daty : 27/10/2004 05:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2057