Aleloia (Tempo Gaigy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(in-2)
Famelana avy any an-danitra any e famelana be dia be
Ny hadalana vita ety an-tany e hadalana marobe
Ka miandry anao izahay, miandry izahay
Andrinay foana io na oviana e

ref:Aleloia! aleloia ho anao anie
Aleloia! izaho hihira fiderana re
Aleloia²! ho anao amen
ooo hidera aho, hidera anao fa sao manenina

O Ray o, izahay tsy mahafoy anao anie,
kanefa ny hadalana be dia be
rehefa voa voadona vao mahatsiaro anao
mahalala miantso indray ny anaranao


O Ray o,manaiky aho fa maditra be
kanefa mino anao aho n’aiza aleha
manantena ny famelana avy aminao
ka hiova ho olom-baovao


Izay natao toa tsisy miafina aminao
manaiky aho fa maditra tsotr’izao
kanefa manantena foana foana re
Fa hahazo paradisa ngeza be
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tempo Gaigy
Vangy : 4562
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mirah
Daty : 18/12/2003 10:47
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164