Vao mainka mafonja (Tempo Gaigy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy maty ao am-poko ao (tsy maty am-poko ao ianao) fa vao mainka mafonja ilay fitiavako
Tsy ho faty io mandrakizay (tsy ho faty io mandrakizay) fa mainka manonja mahery ao anaty ilay fitiavako (am-poko ao mandrakizay)

Na zovy ianao hanaratsy, efa jamba anie aho ka tsy tazako intsony izay lalan-kombana
Na iza ianao hanatsantso, efa latsaka anaty tsy maty vonoina, tsy lany hamamiana na oviana fa dia:
Ny anaranao irery manakoako an-tsofiko ao
Tiako izy iny (izay mety ho fanaratsiana ataonao)
Tiako izy iny (tsy ahoako na 1 minitra mandalo)
Tiako izy (mitombo toa sesilany, loharano tsy ho ritra mandrakizay)
Tiako izy iny (izay mety ho fanambaniana hiseho)
Tiako izy iny (na endrikendrika sy latsa hitranga eo)
Tiako izy (tsy mety ho raraka an-tany ilay fitiavako azy manakatra ny avo hatrany)

Vao mainka mafonja
Tsy maty ao am-poko ao...

Raha misy lokom-pitia maro ho tantarainao fa tokana ihany ilay sary efa an-dohako ao
Raha misy tsara any ho any, izaho tsy manda izay voalazanao saingy izy irery eto an-tany
No afaka hampitony sy hamafa ilay ratra-poko efa tao
Tiako izy iny...


Tonony sy feony : RANDRIATAHINA Faniry
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tempo Gaigy
Hits : 5584
Likes : 2 Like
Created by : ikalamako
Date : 10/06/2016 08:25
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763