Fitia hafa kely (Tanjona Randrianarivelo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola hafa, tena mbola hafa,Ny hakantonao ry mamiko tsy foiko,
Na zipo lava, na pataloha mihaja,
Izay anaovanao mampidoboka fo,
Saika tsy nino aho hoe ianao koa tena tia ahy,
Nifaly avanja ravo ny fo,
Mainka fa hoe ianao io koa no andefimandry,
Aleo redoniko ny hirako :
Fa na hitety vazan-tany na hitety tontolo izao,
Tsy hahita tiako mihoatra anao aho,
Na tsy anjarako ianao dia tereko ho anjarako ihany,
Satria tsy misy tiako mihoatra anao.
Fa raha tsy anjara ny antsika sy ianao,
Mila terena vaimanta ho anjara foana,
Satria ilay tena anjarantsika tsy ho tiantsika,
K'aleo amin'izao toy izay hanaonao foana
Mila mafy loha satria tsika mifankatia,
Ny faniriana hoe ho doria,
K'aleo miara-dia za tsy mahasaraka andri,
Satria amin-dry za adalam-pitia.
Fa na hitety vazan-tany na hitety tontolo izao,
Tsy hahita tiako mihoatra anao aho,
Na tsy anjarako ianao dia tereko ho anjarako ihany,
Satria tsy misy tiako mihoatra anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Tanjona RandrianariveloVisites : 79
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Natolotrniavo
Date : 29/10/2024 02:03