Vavakay (STK Ambohijanaka fivoarana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba sasao Jesosy ô ! ny heloko
Mba diovy aho hadio anio
Mamela ahy ry Raiko
Tsy mendrika aho na ny hiantso ny anaranao

Fahotako Jesosy ô ! no ifonako
Mitalaho aho mandoalik'aminao
Mba henoy ny feoko o avy ao am-poko
raiso aho fa ho ao ambalanao

Ref :
Mino aho raiko ô ! Fa henonao ny vavakay
Fa ianao no nilaza na roa na telo koa
Mivory amin'ny anaranao dia eo tokoa ianao
Matoky aho ray fa mihaino anay ianao

Omeo ahy Jesosy ô fanahinao
Handreseko ny fahavaloko
Ny teninao lazainao fanikoko
Sy hanazava ny hoaviko

Misaotra anao jesosy ô sakaizako
Notahianao 'zany fiainako
Indro ny foko omeko mba anjakao
Ary ny amiko dia hanompo anao

Ref :
Mino aho raiko ô fa enonao ny vavakay
......
......
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : STK Ambohijanaka fivoarana
Visites : 340
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : vahiny.plume
Date : 22/10/2023 13:18
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1015