Voninahitra ho anao (STK Ambohijanaka fivoarana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And. 1(x2)
Jeso ianao no heriko sy fiainako
Na ho aiza ny lalana aleako
Dia tsy maintsy mpandresy aho noho ianao
Ny voninahitra ho anao

Ref:
Fa maro be ireo sedra nahazo ahy
Saika namono ny fanahy
Ny anaranao lay feno fahefana
No nandosiran'i satana

Jeso ianao no heriko sy fiainako
Na ho aiza ny lalana aleako
Dia tsy maintsy mpandresy aho noho ianao
Ny voninahitra ho anao

And. 2(x2)
Jeso no harenako sy fananako
Na mahantra aza aho dia sambatra tokoa
Tsy mihambahamba aho milaza aminao
Oe voninahitra ho anao

Ref:
Ny andro sisa hiainako ety
Hanjakanao ry Jeso tia
Hidera anao mandrakizay doria
Ny hivadika dia sanatria

Jeso no harenako sy fananako
Na mahantra aza aho dia sambatra tokoa
Tsy mihambahamba aho milaza aminao
Oe voninahitra ho anao

Jeso ianao no heriko sy fiainako
Na ho aiza ny lalana aleako
Dia tsy maintsy mpandresy aho noho ianao
Ny voninahitra ho anao(x3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK Ambohijanaka fivoarana
Vangy : 198
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : vahiny.plume
Daty : 27/09/2023 16:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1137