Ny fitia natolotrao (Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ny fitia natolotrao
Dia fitia lavorary
'Zay nitaona anay hanara-dia Anao.

FIV : Ka ampitainay,
Atolotray amin'ny havanay
Sy tsy avelanay
Raha tsy mipaka ao am-pony izany
Ka tahio 'zahay mpampita ny hafatrao.

2. Ry Jesoa nitia anay
Izay nanafatra anay
Ny hifankatiavan'ny Olombelona rehetra.

FIV : Ka ampitainay,
Atolotray amin'ny havanay
Sy tsy avelanay
Raha tsy mipaka ao am-pony izany
Ka tahio 'zahay mpampita ny hafatrao.

3. Raha hamita iraka
Amin'ny asa fitoriana
Izahay matoky fa miaraka Aminao.

FIV : Ka ampitainay,
Atolotray amin'ny havanay
Sy tsy avelanay
Raha tsy mipaka ao am-pony izany
Ka tahio 'zahay mpampita ny hafatrao.
--------
Link:
Comments
Black7 ( 24/05/2025 08:00)
Hira manambara fa tokony hampita ny fitiavana nomen'i Kristy isika rehetra
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0715