Ilay vahaolana (Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Marobe hatrizao
Ireo sedra sy ady nolalovako
Mila ho kivy sy ho ketraka aho
Fa tsy hahita hasambarana
Very hevitra aho sady vizana
Efa sisam-piainana aho
Nefa...

FIV : Indro tamy Ianao tonga nampahery
Nampitraka indray, nanome vahaolana
Ka nisava teo ilay rahona.

2. Maro koa hatrizay
Reo nataoko mba hamaha ny olana
Nefa very maina hatrany izany
Toa zava-poana, toa niserana
Diso hevitra aho fa hay Ianao no ilaiko
Mba hamaha 'ty fatotra
Tompo ô...

FIV : Indro tamy Ianao ......

3. Efa fantatro izao
Fa tsy misy afa-tsy Ianao ihany
Ka miorim-paka anatiko
F'Ianao ilay hasambarako
Anatrehanao no ilazako izao
Fa hitoky Aminao
Satria...

FIV : Indro tamy Ianao ......
--------
Lien:
Commentaires
Black7 ( 24/05/2025 08:06)
Mbola hira fampaherezana hatrany.
Milaza fa any amin'i Jesoa ny vahaolana
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe)
Visites : 221
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Black7
Date : 24/05/2025 08:05
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0963