Fiainana mandalo (SLK 'lay Mpiantsa Soa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FIAINANA MANDALO
Eto amin’ity fiainana mandalo isika eh!
Sao lahy diso tafahoatra eh! Eh!
Saino tsara ny ataontsika eh!
Sao lahy hanenenana eh!

Ny nenina tsy eo aloha fa ao aoriana
Ka raiso ary Jesosy Tompo fa aza variana ah!
Raha te hahazo ilay fiainana any am-para
Manaova ny marina hatrany fa sao dia tara

Eto amin’ity fiainana mandalo isika eh!
Sao lahy diso tafahoatra eh! Eh!
Saino tsara ny ataontsika eh!
Sao lahy hanenenana eh!

Izao ary dia mba hovay ny famindranao
Mba tsy ho variana amin’ny fiainan’izao tontolo izao
Tokana ihany ny làlana mankany amin’ny Ray
Fa io no ahazoana ny fiainana mandrakizay

Eto amin’ity fiainana mandalo isika eh!
Sao lahy diso tafahoatra eh! Eh!
Saino tsara ny ataontsika eh!
Sao lahy hanenenana eh!

Izao no hafatra tiako hambara ato anatin'ny tantara
Sokafy ny sofina hihaino tsara fa sao dia variana ka ho tara
Raha te hahazo ny fiainana tsara manaova ny marina mba tsy ho tara
Manaova ny soa mahaiza mizara fa io no lalana any am-para
Aza variana amin'ny fahotana sao hanontaniana vao hianahana
ka eo vao ho faly ilay satana fa isika tsy ahita an'i Abrahama
Raha te hahazo ny paradisa afoy ho an'ny Tompo ny andro sisa
ka maro ny olona anampitrisa ka moa ve ao anatin'izany isika
ka marina ve sa tsy marina? (aoka ekena fa marina ah)
ka marina ve sa tsy marina ho aho? (aoka ekena fa marina)

Eto amin’ity fiainana mandalo isika eh!
Sao lahy diso tafahoatra eh! Eh!
Saino tsara ny ataontsika eh!
Sao lahy hanenenana eh!
--------
Lien:
Commentaires
fetramaharosoa ( 18/06/2024 09:01)
Bjr, ary maninona no tsy tafiditra ao @ ilay application tonon-kira @ android ilay fanitsiana natao t@ ilay tonon-kiran'ny SLK 'Lay mpiantsa soa. Merci
hery ( 19/06/2024 18:07)
Raha vao miseho eto dia tokony miseho any amin'ny application ihany koa. Mety hoe nisy olana tamin'ny mise à jour.
fetramaharosoa ( 20/06/2024 13:00)
bjr, efa no-désinstaller-ko mihitsy ary dia no-installer-ko indray dia avy eo natao mise à jour fa ohatrany tsy mbola niova koa. andraso aloha andramana indra ay. merci
hery ( 20/06/2024 18:16)
Tsy désinstaller-na fa fafaina fotsiny ny données
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : SLK 'lay Mpiantsa Soa
Visites : 457
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : fetramaharosoa
Date : 06/09/2022 18:09
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0774