AO IZY HANOME (RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Raha sendra misy ny adin-tsaina
Mampisento sy mampitaraina
Matetika mitanondrika ianao
Toa tsy hita izay azo atao
Indraindray aza moa dia tomany
Masiaka ny ankason'ny tany
Mahonena tokoa, mila ho vaky ny loha
Kanefa aza mamoy fo

REF:
Ao izy hanome, 'lay fitahianm-be
Anjara fitia fifaliana
hamafa ihany koa ny alahelom-po
Ho tapaka hatreo ny hakiviana
Tsy misy tambiny io, kanefa tadidio
Fa mila finoana madio
Meteza ary moa handray an'i Jesoa
Amin'ny fanahy sy fo
Meteza ary moa handray an'i Jesoa
Amin'ny fanahy sy fo


2. Raha sendra ka diso famindra
Solafaka fa tsy voarindra
Dia ireo akaikinao ireo ihany
No velon'akora amin'izany
Dia ho kivy sady keraka foana
Tsy hita izay eo anoloana
Fa feno aizim-be, ny làlana aleha
Kanefa henoy kely ange

A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Lien:
Commentaires
Sandosantos ( 22/05/2023 12:22)
SVM RF Bemasoandro Itaosy
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
Visites : 347
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Sandosantos
Date : 22/05/2023 12:21
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.075