Ampidiro aloha ny tenimiafina
Fanavotana Madio (RANTSANA FANANTENANA AMBOHIDROA ANTEHIROKA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Solo 1:Teraka Jesosy, 'Lay Mpiandry ondry Izy tonga hanavotra ahy, Tonga mba hamonjy
Izy hamerina indray ny fihavanako amin-dRay
Izay noravarain'ny ota ratsy hatrizay(x2)
Chœurs:Dia misaotra Anao aho, ry Mpanetry tena
Tena tsara loatra Ianao, Feno fahendrena
Ilay Fitiavanao, tsy takatry ny saina
Tonga hanarina ahy Ianao, hiady aman'aina(Unisson)
Ref: Ny Mpanjakan'ny Mpanjaka asandratro anio
Sarobidy loatra Ianao Tompo ô FANAVOTANA MADIO
Ny Mpanjakan'ny Mpanjaka asandratro anio, sarobidy loatra Ianao FANAVOTANA MADIO
Solo 2: Ampy ahy Jesosy, 'Lay Mpiandry tsara
Tonga hitsidika ao am-po, hanova tantara
Izy hanangona ao ambala ireo nania tsy nahalala
Izy 'Lay Mesia mahagaga nitondra fiainana.(x2)
Choeurs....
A/C:Lanto Ravel
Nandika: Ny Avo Ravel
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : RANTSANA FANANTENANA AMBOHIDROA ANTEHIROKAVangy : 20
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Makbank
Daty : 11/12/2025 12:04
